Template:Appeal/default/mg

From Donate
Revision as of 16:08, 26 November 2011 by imported>Jagwar (done)
(diff) ← Older revision | Latest revision (diff) | Newer revision → (diff)
Jump to navigation Jump to search

Akaiky ny iray tapitrisa any ho any no isan'ny lohamilina ananan'i Google. Mampiasa olona 13 000 any ho any i Yahoo. 679 no lohamilina anananay ary 95 ny mpiasa.

Vohikala fahadimy i Wikipedia, ary 450 tapitrisa no isan'ireo olona mampiasa azy isam-bolana, isaina amin'ny miliara no isan'ireo pejy voajery.

Tsara ny mivarotra. Tsy atao devoly ny fametrahana dokam-barotra. Fa tsy ho an'ny eto izany. Tsy ho an'i Wikipedia.

Zavatra manokana i Wikipedia. Sahala firaketam-boky ho an'ny vahoaka izy io, tempoly ho an'ny saina, toerana ieritreretana, ianarana, izarana ny fahaizantsika amin'ny hafa.

Tamin'izaho namorona an'i Wikipedia, azoko natao ho orinasa manangom-bola izy miaraka amin'ny banieran-dokam-barotra, fa zavatra hafa no voatapaka. Aman-taona izahay no niasa mba hanaovana firafitra tsy mandany vola ary tsotra. Tanteraka ny asanay ary avelanay ho an'ny hafa ny sisa raha tiany.

Raha Ar.5000 avy no omen'ny tsirairay, iray andro isan-taona ihany izahay no hangataka vola. Fa tsy hanome na afaka hanome avokoa ny rehetra. Ary tsara izany. Ampy foana ny isan'ny olona manome isan-taona.

Amin'ity taona ity, mba manomeza $5, €10, ¥1000, na izay tianao mba hiarovana ary hanohanana ny tetikasa Wikimedia.

Misaotra indrindra,

Jimmy Wales
Mpamoron'i Wikipedia