Template:Appeal/Adrianne/mg

From Donate
Jump to navigation Jump to search

|Tamin'izao mbola ankizy dia nanana fahazarana lafo vidy aho: ny boky. Novakiako daholo izay boky novidian'ny raiamandreniko ahy -- kanefa mbola mangataka aorian'izany. Tiany tazonina ny kaonty amin'ny bankiny. Jane Eyre izany no novidiany ahy. |//upload.wikimedia.org/wikipedia/donate/a/ac/Adrianne_wadewitz.jpg |Adrianne Wadewitz}}

Ela be ny namaranako io tantara lava be io, fa tia azy ihany aho. Tamin'ny taona fahadimy, nila nanolotra lohahevitra an'ny mpiara-mianatra lohahevitra iray izahay. Ny haisoratry ny taonjato faha-19 no nofidiako.

Izao, ary mety efa voavinavinanao izany, mpianatra anglisy aho ary manoratra eo amin'i Wikipedia. Manoratra lahatsoratra momban'ny mpanoratra ohatr'i Mary Shelley, mpanoratra an'i Frankenstein, ary Jane Austen, izay nanoratra an'i Pride and Prejudice.

Rehefa mieritreritra amin'ny asako eo amin'i Wikipedia aho, izao tsy hoe mpikambana tsotra manampy fampahalalana fotsiny, fa mpampianatra. Amin'ny alalan'i Wikipedia, mbola mahatakatra lavitra nohon'ny lakilasy tazoniko aho. Mandritry ny volana farany teo, hita in-115 000 ny lahatsoratra momban'i Jane Austen teo amin'i Wikipedia.

Any amin'ny oniversiteko, betsaka ny loharanom-pampahlalana azo vangiana. Anefa tsy afaka mantsaka fampahalalana amin'io loharanom-pampahalalana io ny ankamaroan'ny olona; voatakona aorian'ny rindrina fandoavana izy ireo. Amin'ny alalan'ny fanoratana eo amin'i Wikipeida, afaka mamaha izany tsi-fahamarinana izany aho.

Tiako ny mianatra, ary tia izany foana aho. Izay ny inoako ny hoe tokony eo ampelantanan'ny olon-drehetra ny fianarana.

Manaiky izany ve ianao? Tongava izany hanohana an'i Wikipedia.